Découvert pendant mon enfance, les poèmes sur l'amour sont ceux que j'ai le plus appréciés dans ce livre.
Commenter  J’apprécie         140
Ho any ianao,kanefa….
Aza ataonao fantany izao fahoriako izao
Fa aoka hiafina aminy
Ny ketoky ny jaly
Nanempaka ny aiko,tanatin'ny longoa
Izay namandrihany ahy…
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,
Fa sempo-tsasak'alina
Misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany!
[..]
Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
Io varavarako io
Fa hitomany aho…
Rado, janoary 1966
Tiako ianao no sady halako
Fa mangidy koa no mamiko!
"Fahavaloko", "Malalako"
samy anaranao raha amiko.